<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Catholic hymn</author>
<title>Tiako ny hiaraka Aminao FFPM753</title>
<lyrics>[V1]
 Hiaraka Aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko
 Tsy manana olon-kafa aho,
 Fa Hianao no fiainako
 Hanara-dia Anao, izay no faniriako
 Hifikitra Aminao aho Jesoa !
 Tiako ny hiaraka ..sns.

[C1]
   Tiako ny hiaraka Aminao
   Jesoa
   Na aiza na aiza hitondranao ahy
   Tiako hiaraka Aminao Jesoa
   Fa Hianao no miantso ahy. !

[V2]
 Hiaraka Aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko
 Hitory teny soa amin'ireo havako
 Hanara-dia Anao, izay no faniriako
 Hifantsika aminao aho Jesoa !
 Tiako ny hiaraka ..sns.

[V3]
 Hiaraka Aminao aho, ô ry
 Jesoa Tompoko
 Ho zary famonjena anie
 ny fahoriako
 Hanara-dia anao izay no
 faniriako
 Hifantsika Aminao aho
 Jesoa !
 Tiako ny hiaraka ..sns.

[V4]
 Hiaraka Aminao aho, ô ry
 Jesoa Tompoko
 Hibanjina ny Ray, Tompo
 Andriamanitro.
 Hanara-dia Anao, izay no
 faniriako,
 Izay misy Anao, no hisy ahy,
 Jesoa,
 Tiako ny hiaraka ..sns.</lyrics>
<hymn_number>753</hymn_number>
</song>